permalien Fahatsiarovana

Rédigé le Mer 22 Aoû, 2007 20:28:42 Ajouter un commentaire
Fahatsiarovana...

Raha sendra malahelo, fa tsy eo ilay tiana,
Raha toa mamelovelo ka miena ny hafaliana,
Tadidio fa eo ny namana raha mila fanampiana
Na ho ela no ho haingana, n'hafiriana n'hafiriana.

Raha tonga ny hariva ka iny fa mahatsiaro
Ilay olon'tiana izay maha-saro-piaro,
Aza adino ny mitsiky, aza manamaloka ny tava
Aza zatra mitanondrika, fa mitrakà lalandava.

Raha tadidinao ny taloha, tadidio 'nareo nifaly,
Fa tsy sanatria kosa ianareo nifamaly.
Tadidio ilay nifiny botsika, namiratra ny tava,
Tadidio ilay fitsiky nanitatra ny vava...

Ary ny fotoana niarahana, ataovy mifikitra ao am-po,
Aza avela hosarahina, n'inon'inona manjò
Fa ny elanelan-tany tsy midika hoe vita,
Fa rehefa tonga ny fotoana tsy maintsy hifankahita....

By keeps , dédié à toutes les personnes en manque de leur âme soeur,
de leur famille , de leur amis et de toutes les personnes chères à leurs yeux et à leur coeur